Iny olona iny (jean steel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
iny olona iny no nanaitra ny fitiavako
tsy afaka ao an-tsaiko, tsy miala ato am-bavako
eny izy indrindra no nambabo sy nandratra
ilay fitia voatoro sy voatahiry tao an tratra

iny niriako ho tia raha notolorako fitia
miantso anao anie ity foko, manatòna ka avia
ho fenoiko fifaliana izany andronao rehetra
ho tafiako matokia ka ny aiko re no fetra
etsy ange henoy izao vetsoko izao, fa ho kaloiko ho anao
n'aiza n'aiza ianao mandre ny hirako,
dia tadidio fa soloko izy no sady hirako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : jean steel
Vangy : 853
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahinscoot
Daty : 09/04/2019 11:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4723