You are here: home > Tononkira > Henri Ratsimbazafy

Z’INONA MOA IZAY MPANOMPO (Henri Ratsimbazafy)

https://tononkira.serasera.org/hira/henri-ratsimbazafy/zinona-moa-izay-mpanompo

Fony aho very notadiavinao
Zaho nitoetra irery tsy nilaozanao
Raha naloto aho nodiovinao
E! mpanota aho namasininao

Ampianaro aho Tompo
Hahay hietry toa Anao
Z’inona moa izay mpanompo
Iray latabatra Aminao

Rony hadisoako voavelanao
Ary ny ati-foko no onenanao
Zaho tsy mba marina namarininao
Lavo aho tafaritononkira.serasera.orgna Tompo noho Ianao

Ampianaro aho Tompo
Hahay hietry toa Anao
Z’inona moa izay mpanompo
Iray latabatra Aminao

Tokiko hatrany ny fitiavanao
Faniriako izany ka mba tanteraho
Nefa izaho irery osa lava izao
Tsy mba ampy hery ka aza ilaozanao

Ampianaro aho Tompo
Hahay hietry toa Anao
Z’inona moa izay mpanompo
Iray latabatra Aminao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 250
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 03/02/2020 18:15:35
ID : 12534

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo