TALAKY MANDEHA (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatsambatra ery aho mijery,
ilay zanako kely indrindra,
fa vao afa-mijoro irery
dia miezaka indray mba hamindra.
Vao mandingana iray dia miahotra
maka bahana, mihomana tsara,
ka mitsiky no sady matahotra
mila hery mba tsy hitsirara.

Sempotsempotra misefosefo,
efa vizana mibakabaka,
’zato ranjo e! dia malefolefo
toa hilefitra fa tsy ahazaka !
miboredika, mibadabada,
azy eo dia mangata-maso,
moa va re mila vonjy amin'i Dada
sa miantso manao hoe andraso:

«Raiso ny tanako
-ndeha ho tantanako
Ny tananao hotanako
avia ’zany zanako
Talaky mandeha ’zany havako izany
aza matahotra, izato eto ihany o
Etsy, etsy, talaky mandeha
Raiso ny tanako
ndeha ho tantanako
Ny tananao hotanako
avia zany zanako
Talaky mandeha ’zany sombiniaikao
malakilaky fa aza mijaiko.»
Etsy, etsy, talaky mandeha

Henri RATSIMBAZAFY
1967
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 5319
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 05/11/2003 21:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728