Miserana ihany (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miserana ihany ny fiainana an-tany
Tsy misy ny maharitra
Ny tsy tsara foana no zary tsaroana
Adino ny mahafinaritra
Ny akaiky tsy jerena
Mampahory tena
Variana amin'ny lavitra

Misy foana ny masoandro
Manazava isanandro
Koa nahoana loatra re
No eny amin'ny aloka no haleha

Miserana ihany ny fiainana an-tany
Tsy misy ny maharitra
Ny tsy tsara foana no zary tsaroana
Adino ny mahafinaritra
Ny akaiky tsy jerena
Mampahory tena
Variana amin'ny lavitra

Raha misy voninkazo
Mahasarika anao
Aza andrasana halazo
Avy hatrany dia halao
Toa izany raha voankazo
Hitanao fa masaka
Avy hatrany dia tohazo
Aza avela hilatsaka

Misy foana ny masoandro
Manazava isanandro
Koa nahoana loatra re
No eny amin'ny aloka no haleha

Miserana ihany ny fiainana an-tany
Tsy misy ny maharitra
Ny tsy tsara foana no zary tsaroana
Adino ny mahafinaritra
Ny akaiky tsy jerena
Mampahory tena
Variana amin'ny lavitra

Ny famindranao milanto
sy ny bikanao soa
Ny endrikao tena kanto
Tonga lafatra tokoa
Nefa ireny rehetra ireny
Tsy haharitra ela ka
hilofika ombieny ombieny
Eo vao tsapanao fa

Miserana ihany ny fiainana an-tany
Tsy misy ny maharitra
Ny tsy tsara foana no zary tsaroana
Adino ny mahafinaritra
Ny akaiky tsy jerena
Mampahory tena
Variana amin'ny lavitra (x3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 1319
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 09/01/2017 09:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2743