Lasa izahay (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola kely ny ankizy
irina ery ho lehibe ;
raha vao mitsangana izy
ampianarina mandeha :

ireo no ho dimby sy ho fara
rahoviana loatra re
no ho tafita soa aman-tsara sy ho lehibe ?

Kanjo poa toy izay toa tselatra,
LASA IZAHAY
voronkely hary elatra
LASA IZAHAY
efa mahaleotena
LASA IZAHAY
sitrapo fa tsy terena
LASA IZAHAY


Ny endrikao miramirana
f’efa nahalehibe,
sady faly no sahirana
manontany tena hoe
"Hanao ahoana ny fiainany,
sarotsarotra ny dia,
moa va re efa nosaininy tsy ampy ny mitia ?"

Diboky ny hafaliana
LASAIZAHAY
fa nahazo olon-tiana
ka LASA IZAHAY
tojo zavatra nirina
dia LASA IZAHAY
ianareo no mangina
fa LASA IZAHAY.


Tsy omby tratra ny hafaliana
fa nitombo anankiray
ny isan’ny fianakaviana:
tera-dahy izahay.

te-hikiaka mafimafy
hamoaka ny ao anaty ao,
faly ery fa loa-jafy
tsy hita izay hatao.

Tsisy tany hijanonana
LASA IZAHAY
raha vao misy ny lanonana
LASA IZAHAY
zafikely no tezaina
LASA IZAHAY
ireny no hany ampiantaina
LASA IZAHAY


Any volana any taona
ho letnbe ny zanakay
ary ho avy ny fotoana
handaozany anay indray
amizay ho tena tsapa
sy hitamberina aminay
izay tao an-tsain’i Papa
indray andro izay.

Izy ireo no hiteny
hoe LASA IZAHAY
veloma i Dada sy i Neny
fa LASA IZAHAY
Zany no lalàn’ny tany
LASA IZAHAY
aza arahana tomany
LASA IZAHAY

Raha izany no lalàna
Mahaleova mahalasana !


Henri RATSIMBAZAFY
1984
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 6878
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/02/2002 00:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121