Isaorako anao (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny mafy niaraha-nandresy,ny ratsy sy soa nifanesy,
ny andro nifalifaliana,
ny ora nitositosiana
ny fiainana izay nitambarana,
ny harena izay nisasarana,
ny ankizy niaraha-nikolo,
bilangina donga daholo,
Ny toky nomenao ahy
kanefa tsy notanterahana,
niova nanjary ahiahy,
nitondra tsy fifanarahana,
Ireo laingalainga madinika,
Ireo teny tsy voadinika
Irony familafilana
Arahana latsa mazàna,
Ref. :
Isaorako anao
ireny rehetra ireny
sy ny hafa tsy voateny
Isaorako anao.
Henri RATSIMBAZAFY
1972
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Henri RatsimbazafyVangy : 3645
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 22/02/2002 00:29