Fony aho (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony aho tsy nitafy
afa-tsy akanjo rovitra
tratry ny orana nifafy
sy hatsiaka mampangovitra,
dia nalanao tsotra izao
noho izato fahoriako
lamba teny an-koditrao
ka nomenao ho tafiako.

Dia ny otmhwad lamba soga ihany,
tsara ravina sy tsotra
nefa kosa ny hafanany
nahatoraka lopòtra


Fony aho mosarena,
trotraka sy fanimpanina,
rera-tsaina, rera-tena
fa tsy nanana hohanina,
tsapako nitafotafo
tao am-ponao ny fitiavana,
nasainao aho tononkira.serasera.org hisakafo
ka noraisinao ho havana.

Dia ny vary maina ihany
no niarahana rzleh nizara,
nefa dia natsiro izany
niova ho sakafo tsara.


Fony aho kivy ratsy,
tsy edzlc mba nanana hitarainana,
tsisy tia, lany vatsy,
zary leon’ny fiainana,
Ianao tamin’izay
no hany mba niteny tamiko
ka namerina indray
ny fiainana ho mamiko.

Dia ny teny kely monja
feno hatsaram-panahy,
nisy hevitra mafonja
ka nitondra hery ho ahy.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1226