You are here: home > Tononkira > H Ryan

Vetsovetso... (H Ryan)

Lasa ianao fa tsy tamana
Tsy zakanao ity fahantrana
Niala ahy nandao tanàna
Irery aho tsy misy hafanana
Ka mahatsiaro irery,
Manina anao, nilaozanao

Izaho aty toa zaza very,
Zaza adala mirenireny
Tsy zatra ny mitoetra irery,  
Irery tsy misy mpijery.
Fa ny fokotononkira.serasera.org very, lasanao.
Fa ny saiko very, any aminao

Izaho indray hiezaka hatrany,
Ho mafy fo fa tsy hitomany
Ny fiainana mitohy hatrany
Fa tsy hiandry anao hiverina avy any!
Ka hajanoko hatreto Ireo vetsovetso,

Fa manombok'izao Mba hitsiky aho.

Ka manomboka izao Dia hitsiky aho...

14/09/2013

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : H Ryan
Mpamaky : 1036
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : HRyan
Tamin'ny : 25/06/2014 19:08:02
ID : 6591

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo