You are here: home > Tononkira > H Ryan

Tsy ho Nofy (H Ryan)

Taitra aho raha vao nahita anao,
Ianao koa toa nibanjina ahy...Resinao aho!
Ity foko nilatsaham-baratra,
Nofohazinao ka nihiratra...babonao aho
Mifoha maraina aho te hahita anao.
Ny antoandro aho te hiresaka aminao ny hetahetam-poko.
Ny alina aho mahazo nofy anao,
Manoroka sy mitantana anao...tononkira.serasera.orghiriko ianao!
Nitsangana aho andeha any aminao.
Hihaona sy hiresaka aminao ka raiso aho ho anao.
Nitsiky ianao sady nihantoraka,
Nanoroka ahy sady namboraka fa Tia ahy ianao.
Nilatsa ny ranomasoko,
Ranomaso izay nilaza fa tena tia...Lasanao aho!!!
Izaho sy ianao indray manomboka eto,
Hitambatra ho iray...ho fo iray!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : H Ryan
Mpamaky : 1287
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : HRyan
Tamin'ny : 25/06/2014 19:08:59
ID : 6592

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo