Manàna fanantenana (GROUPE MANANDRATRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Moa tsy anananao ve ny fanantenana ry namako
No toa kivy ianao mahatsiaro irery mitanondrika
Moa tsy fantatrao fa misy Mpamonjy azo antoka
Mbola manome toky ahy sy ianao hibebaka

Réf:
Averimberina amiko sy aminao ny hoe matokia Azy ianao
Ny teny fikasany milaza ahy sy ianao hoe:"antenao"
Antenao ny lanitra misokatra ho anao
Raha toa kivy ianao
Matokia Azy hatrany fa Izy no ilay Tompo tena mahay

2-Moa tsy anananao ve ny fanantenana ry namako
Fa ilay Tomponao hoavy tsy hoela handray anao
Ilay sandriny no efa mitsotra hintatana
Koa raiso izany anio mba tsy ho neninaoooo

A/C: Ezra Sabathin
--------
Rohy:
Hevitra
Hyql ( 20/10/2020 08:29)
Tsy ny anio no hamaritra ny hoavinao, aza kivy, manàna fanantenana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GROUPE MANANDRATRA
Vangy : 737
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Hyql
Daty : 20/10/2020 21:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742