Derao ny Tompo (Groupe Daniela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Derao ny Tompo fa izy no lehibe e!
Mahagaga sy mahatalanjona ny heriny
Aminao ny aretina sy olona ngeza be
Entina eo aminy izany, voavahany

Ref: Fa iza moa hoy ianao Jesosy?
Ambarako anao, tsy miova omaly sy anio
Ary mandrakizay
Izy irery

Derao ny Tompo fa izy no ambony indrindra
Na iza, na iza tsy maintsy manaiky azy
Na io tendrombohitra io aza no tiany hafindra
Ny rano aza lasa dovay tamin’ ny mariazy

Derao ny Tompo fa azy ny fahefana
Azony tanterahana avokoa izay tianao
Ny devoly aza lasa, nataony hoe mandehana
Ranomasina vao teneniny dia nangina

Tsara, tsara ny Tompo, tsara, tsara e!
Tsara, tsara ny Tompo, tsara, tsara e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Daniela
Vangy : 3184
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Michaela
Daty : 25/05/2007 18:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072