Derainay (GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho Ray o !
Noho ny haben’ny fitiavanao anay
ianao ‘lay fahazavana sy Ilay lalana izoranay
Amin’ny zava-dehibe iainanay ety
Hoderaina tokoa ny anaranao
Narovanao izahay ka tratr’izao anio izao


Derainay foana Ianao
Ray malalanay
Hanao izay sitrakao
Amin’ny androm-piainanay
Jesoa! Ianao no mpiaro anay
Midera Anao izahay


Ankalazanay ny anaranao arak’izay azonay atao
Omeo fo madio mba ahatanterahanay izay rehetra sitrakao
Aoka ny asanao no hanan-danja amin'izao fiainanay izao
Ho voninahitra sy dera laza ho Anao Tompo o!
Ny herinao lehibe no hampaka amin'ny fiainanay ety
Sy ny fahasoavanao namonjenao anay Kristy


Derainay foana Ianao
Ray malalanay
Hanao izay sitrakao
Amin’ny androm-piainanay
Jesoa! Ianao no mpiaro anay
Midera Anao izahay

Bridge

Tompo o!
Derainay foana Hianao
Na dia be ireo sedra manjo anay
Notiavinao hatrany izahay



Tompo o!
Derainay foana Ianao
Matoky izahay fa tsy hamela irery Ianao
Koa dera laza no atolotray Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga)
Vangy : 152
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AlphaTokiniaina
Daty : 18/06/2024 20:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3069