Tsy adino (FISINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hira sy kalo sisa ahatsiarovako ireo lasantsika
Mamisavisa izay niseho aho
Mbola hira ihany no hamafako ilay fitiavako
Izay mibahana ato ampoko

Moramora izany ho anao
Nefa ny ato ampoko kosa tsy ho fantatrao
Atao ahoana no hanadino anao
tsy hay fafana
ny fitiavako anao

Ekeko anefa fa zavatsarotra izany
ary koa manahiran-tsaina
Ianao no mbola tiako hatrizay ka hatrizao
Nefa moa tsy sitrakao aho

Moramora izany ho anao
Nefa ny ato ampoko kosa tsy ho fantatrao
Atao ahoana no hanadino anao
tsy hay fafana
ny fitiavako anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FISINA
Vangy : 2750
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rakotondramiadana Ndimbisoa
Daty : 31/10/2002 13:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1931