Velona Jesoa (Feon' ny Fahazavana Toamasina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maty anô ô ô
ry Jesoa ô
nohon’ny fanavôtagna anay

Mahatsiaro manenin’arô zahay
ah Jesoa ô
fa very sy malemy iz’koah rô tsy ake anô *2


Vonjeo zahay ah Zanahary é
fa namono ny zanakao ô
tsy fantanay raha manjary atao ô
fa mba aminao ny famindram-ponao

Diso fihevitra arô zahay rô
tamin’ny famonoagna anao
anô amin-jegny tsy mba nandà koa
fa namiagnao ny ainagnô
nanolo-tena mba ho fantsiagna
tamin’ny hazo fijaliagna
mampitomany anay zany arô
aah haa à Jesoa ô

Efa adinonareo sahady ny hafatra
zay napetrakan’i Jesoa tamintsika zandriny
fa ny zanak’olona dia tsy maintsy ho faty
fa hitsangana amin’ny hateloana
fa ny zanak’ olona dia tsy maintsy ho faty
fa hitsangana amin’ny hateloana.

Aleloia Aleoia ô
Aleloia Aleloia
Aleloia Aleoia ô
Aleloia Aleloia

Fa velona ilay tompon’ny aina
dia i Jesoa ô
nandresy ny fahafatesana
izay mafaitra é
adinoy ny fahoriagna jiaby é
izegny mahazo ô
fa hafaliagna tsy homby tratra
no asandrato

Aleloia Aleoia ô
Aleloia Aleloia
Aleloia Aleoia ô
Aleloia Aleloia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon' ny Fahazavana Toamasina
Vangy : 1962
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ZEMJOS
Daty : 07/03/2008 08:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2988