TANDRIFIANA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
and.1-
Misy afo mialoha Azy
ka mandevona ny fahavalony manodidina

and.2-
Ary manao ny rivotra ho irany
sy ny lelafo ho mpanompony

and.3-
Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona ;
eny Andriamanitra saro-piaro Izy.

and.4
Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva
dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hœ :
Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely,
aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely,
ary izaho no mpanomponao,
ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.

Mihainoa ahy, mihainoa ahy Jehovah ô,
mba hahafantaran'ireto olona ireto
fa Hianao Jehovah no Andriamanitra,
ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
Dia latsaka ny afon'i Jehovah
ka nandevona ny fanatitra dorana
sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka
sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely

and.5
Mahay ny zavatra rehetra aho
ao amin’Ilay mampahery ahy. …

and.6
: Ry zanak'olona, manandrifia an'i Farao,
mpanjakan'i Egypta,
ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.

Mitenena, ka ataovy hoe:
Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Indro, avy hamely anao Aho,
ry Farao, mpanjakan'i Egypta,
ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny,
dia ilay efa nanao hoe:
Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.

Ary hasiako farango ny valanoranonao,
sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao,
dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao,
ary ny hazandrano rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 465
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 13/05/2020 19:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723