SAMBATRA AHO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SAMBATRA AHO

Mahery ny Andriamanitsika
Mora fo sady tsy mba masiaka
Be fiantra sy mpanamboatra
Ny fo voadona ka mitraotra
Eo indrindra izy no mandinika
Ny toetrako madinidinika
Izay noheveriko ho tsy toa inona
Hay tokoa moa aho, tena z’inona

Ref.: Novahany hatramin’izao ny gadrako
Nosasany tamin’ny ràny koa ny otako
Nomeny ho ahy koa ny akanjo vao
Endrey fa sambatra aho, eh sambatra

Raha misy teny hafa ankoatr’izao (Hoe)
Misaotra Anao, eny misaotra Anao
Hikiaka mafy aho, manao hoe
HALELOIA, HOSANA Be dia be
Saingy fantany mibaribary
Ka na takona aza miharihary
Na misento aho na misaotra
Ranomaso foana no milaotra

Ref.:
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFI
Hits : 2131
Likes : 0 Like
Created by :
Date : 30/08/2002 16:17
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751