You are here: home > Tononkira > FEFI

Ray ô! misaotra e! (FEFI)

https://tononkira.serasera.org/hira/fefi/ray-misaotra-e

Ry Tompoko sy Andriamanitro
Hianao no asandratro
Ary anandratako
Izany fanahiko

Noho Ianao
Namaly vavaka ahy
Sy namelona ahy indray
Ity reraka ampanahy

Isan'andininy :

Atao ahoana ! Ry Tompo atao ahoana e !
Ny hisaotra Anao ! Ny hisaotra Anao !
Tsy ampy foana ! Tena tsy ampy foana e !
Ny andro hiderako ! Ny andro hiderako Anao !
Te hiantso aho ! Te hiantsoantso aho !
Htononkira.serasera.orgikiaka hoe ! Te hikiaka hoe !
Ray ô ! misaotra ! Ray ô ! Ray ô ! misaotra e !
Misaotra Anao ! Ray ô ! misaotra Anao !

Ny aretiko izay nandazo ahy
Nanasitrana ahy Hianao
Ary koa nanafaka ahy tamin'izany Hianao

Ny fatotra izay nangeja ahy
Ankehitriny novahanao
Tena afaka aho izao

Isan'andininy (x2)

Atao ahoana e !
Ny hisaotra Anao !
Tsy ampy foana e !
Ny andro hiderako Anao !
Te hiantso aho !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FEFI
Mpamaky : 1620
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : r.syl20michel
Tamin'ny : 07/10/2014 13:32:34
ID : 6766

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo