NDAO HIHIKA HALELOIA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpandres’isik’izao,
Ndao hihir’ ho an’i Jesosy
Mahafaly Az’ ny hira fideràna
Sady hihika sy handihy
Satria ny devoly efa resy
Tompontsik’io mendrik’ho derainax2
Jesosy nandatsaka ny ràny
Famindram-pony ts’hita lany
Endrey tokoa fa tiako tena tiako Izy
Tompontsik’io mendrik’ho deraina.

Hikao ny haleloia (f’izay ihany)
mendrik’Azy
Andihizo lay fahavalo resy, ka hitsakitsaho
Asandrato n’tananao (n’fatotrao) voavaha
Mitehafa ho an’Jesosy, mpandres’hianao*3

Hikao (x4) – Mandhiza (x4) Asandrato (x2) - Mitehafa (x2)

1-
Mitehafa raha tinao Jesosy Mitehafa raha tena tinao Jesosy
Ka ny fihobinao tsy ho an’ny FEFI F’ataovy mafy ho an’lay Mpandresy
Tena tiako Izy fa tena tiako mihintsy Jesosy Ka dia hobiko Izy,
ka dia hobiko mihintsy Jesosy Tena tiko Izy fa tena tiako mihintsy Izy ka:
“Tehaka! Tehaka! Tehaka! Lamako!!!”

2-
Ndao hihika raha tinao Jesosy Ndao hihika raha tena tinao Jesosy
Rehefa nihoraka nihodidina ny tanàna Dia nirodana ny mandan’I Satana
Ndao hihoraka amin’ny feo mahery Dia ho afaka avokoa ‘zay mahatery
Hikan-danitra manakatra ny lanitra ka: “Mihoraka!²- Mihorakoraka manonja!”

3-
Mandihiza raha tinao Jesosy Mandihiza raha tena tinao Jesosy
Dihy mirindra manaja ny Ray Fa tsy hanindraindra ny nofonao indray
Miderà Azy amin’ny hira s’ny dihy Ka ataovy am’zay mendrik’Azy
Arindrao ny fihetsikao dia andao “Mandhiza- afindrao²- ny tongotrao!!!”

4-
Ambony n’tanana raha tinao Jesosy Asandrato avo raha tinao Jesosy
Rhefa nasandratra ny tanan’i Mosesy Ny Israely no nivoaka ho mpandresy
Ary ianao manandran-tanana androany Dia handresy ireo sento sy tomany
Ka fahasoavana no hasetriny an’izany “k’asandrato*3- ataovy ambony!!!”

mAmi
VONINAHITRA!!! HO AN’ANDRIAMANITRA!!!
HALELOIA!!! (x4) Oou! Hikao ny haleloia! F’IZAY IHANY , MENDRIKA AZY…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 1230
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 17:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734