KOLOKOLOY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Natao ho mpanjakan’ Ny zava-boahary hianao,
Mahaiza re mitraka Misaotra ny Tomponao
Ny tsara sy soa Tsy mba nafeniny Ho anao
Nomeny avokoa fa to ny teniny

Fiv
O Kolokoloy
Fa nitokisany hianao
Zay marary dia tsaboy
F’izay no anjaranao

2
Zao tontolo izao rakofan-java-tsoa
Ka mahavariana anao fa hita ao avokoa
Ireo rendrarendra mamy sy tena fy
Mandoza raha sendra Hadino Jeso tia

3
Indraindray anefa Ny fiainantsika ety
Tena mirafarefa raha anehoana fitia
Ka mihevi-tena ho tena zavatra
Odian-tsy jerena Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 812
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 18:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729