HO AHY SY HO ANAO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Isika izay mbola velona indrindra No hiantefan’izao hafatr’izao
Mba miraisa fo sy miaraha mamindra Fa malama izao tany izao
Efa nambaran’ny filazantsara Efa voatory tamin’ireo olon’ory
Ka ampiasao ‚zay rehetra renao Fa anjara natolotra anao.

2
Nampilazàna ireo mpaminany Fa vala iray no nomanin’ny Ray
ho ahy sy ho anao mba minoa re izany Ndrao tra-nenina rahatrizay
Tsy mba ny marina anefa no nantsoiny Fa ny adala no mamin’ny fony
Iray fonenana iray finoana No tanjona raha hiala ety

3
Ndeha re mba hifampitantana sika Fa mananjara handova ny soa
Ka masoandro mamiratra sy mibaliaka Ho ahy sy ho anao avokoa
Ny haravoana tsy misy hoatr’izany Ny hasambarana tsy hita sesilany
Asandratray ny feonay, hiderana Ny Anaranao Tomponay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 924
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 14:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727