FIDERANA (tonony krismasy) AZA AVELA ANDEHA IRERY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I.1 Fiderana fanajana No ndeha asandratsika
Fa Mpanjaka ny Mpanjaka No teraka ho antsika
Ao Betleheman’i Jodia No nofinidin’Ilay Jeso tia
Izarany zava-mamy ’Ty tany ity
Ka ny olona rehetra Tiany tsy mba misy fetra
Handray ny tena fitahiana Ho tanteraka ny hafaliana

I.2 Tsy ny mpino azy ihany Manerana ny tany
No tsy foiny ka antsoiny izarany mamy
Fa ny manan’aina rehetra No tiany hiorina sy hitoetra
Fa hifaly tena faly tsy mijaly
Aoka ary ho fantatrao Fa izao tontolo izao
Dia tena tiany toa antsika koa Mba hiaina fiainana vaovao.

II AZA AVELA ANDEHA IRERY

1.Aza avela andeha irery ’Ty zandrinao Jeso tia
Ndrao mania ka ho very Ety an’efitra ety
Marobe tsy mba hita isa Ny amboadia mitady hamono ety
Eto hianao ka mila anao ’zao anio izao
Mpiandry tsara indrindra hianao
Mahatoky ny herinao tsy misy mampisalasala ahy
Satria eto ambany elatrao.
2.Tsy hianareo hoy hianao no nifidy ahy
Fa izaho no nanendry anareo
Mba ho amin’izao tontolo izao Mba andeha sy hamoa ary koa
Mba haharetan’ny vokatrareo
Mandehana mitsangana ka mihazava Hianareo asehoy ny hazavana
Zay ao anatinareo Ka hazava eo amin’ny olona
Ny hazavana nomeko anareo.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 1563
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 14:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1117