You are here: home > Tononkira > FEFI

DIA NOHO ILAY FITIAVANAO (FEFI)

1 Matoa aho ry Ray Mbola miaina toy izao Dia noho ’lay fitiavanao
Nisinda avokoa ‚ Reo rofy manjo Dia noho ilay fitiavanao
notahianao hatr’izay Ka mandry tsy misy ahiahy
Hasambarana no Mitoetra ao am-po Dia noho ’lay fitiavanao

2 Matoa misy ny hafaliana ety dia noho ilay fitiavanao
Ka maro ny mpino indray miarTsiky dia ampya-dia Dia noho ilay fitiavanao
Miombon-hasambarana, Finoana itambarana
Ambara fa misy ny firaisam-po Dia noho ilay Fitiavanao

3 Matoa misy ny sentom-po mahamay Dia noho ilay Fitiavanao
dia fomba iray hiverenena indray Ho amin’ilay fitiavanao
Tsy kivy tsy ketraka koa Ny olonao ry Tompo soa
Mahatoky fa hiara-mitoetra tokoa amin’ilay fitiavanao

Mpihira : FEFI
Mpamaky : 2041
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rado6185
Tamin'ny : 02/01/2015 17:02:06
ID : 6923

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo