You are here: home > Tononkira > FEFI

AFOMASINA (FEFI)

https://tononkira.serasera.org/hira/fefi/afomasina

Amin’ny alalan’ny Afomasin’i Jesosy

1-    
Misy afo mialoha Azy
ka mandevona ny fahavalony manodidina

2-      Ary manao ny rivotra ho irany
sy ny lelafo ho mpanompony

3-      Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona ;
eny Andriamanitra saro-piaro Izy.

4-    
Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva
dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hœ :
Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely,
aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely,
ary izaho no mpanomponao,
ary araka ny teninao
no efa nanaovako izao zavatra izao.

Mihainoa ahy, mihainoa ahy Jehovah ô,
mba hahatononkira.serasera.orgfantaran'ireto olona ireto
fa Hianao Jehovah no Andriamanitra,
ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
Dia latsaka ny afon'i Jehovah
ka nandevona ny fanatitra dorana
sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka
sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely

5-    
Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino:
hamoaka demonia amin'ny anarako izy;
hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy ;
handray menarana izy ;
ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy,
dia tsy hampaninona azy izany ;
hametra-tanana amin'ny marary izy,
dia ho sitrana ireny.

6-    
Mahay ny zavatra rehetra aho
ao amin'llay mampahery ahy

FEFI famonoana kalanoro

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FEFI
Mpamaky : 156
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mbahoirayihanyizyrehetra
Tamin'ny : 13/05/2020 17:55:28
ID : 12723

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo