VAVAKA (Fanilon'ny famonjena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jehovah Andriamanitray ô!
Miantso anao izahay
Jereo ny tanoranao
Ampio ka hombay ny herinao
Hitory ny filazantsaranao
Eran'izao tontolo izao
Hatrany an-tananany jodia
Ka hatrany, hatrany amy farany tany

Mba harovinao ny fikambananay(bass)
Amin'ireo sakantsakana maro
Sy ireo fakampanahy(bass)
izay mitady hanangola anay

Omeo anay ny fanahy masinao
Mba handresenay hatrany hatrany(3&4évoix)

Hanefa ny adidinay eto am'izao tontolo izao
Ka halaviro anay Zay adiady izany
Fa manimba anay manapotika fanahy
Tsy handova Ilay toerana iray vaovao
Dia ilay paradisa(2&3évoix)
Fonenana tsara efa nomaninao

Jehovah Andriamanitray ô
Venjeo re ny taninay
Jereo fa korontana lava
Sady tsy mahay mifanaja
Mifona aminao izahay
Amindrao fo ka mba vonjeo
Fa aza avelanao honena
Vonjeo mba vonjeo re ity firenena

Ô midina ianao ka aoka mba hijery(bass)
Hijery ireo mpitondra voafidy
Mba omeo azy ireo(bass)
Omeo azy ireo ny fahendrena

Mba ho mpitondra tena môdely
Mba ho tarafin'reo vahoaka(3&4évoix)

Hombay ny fanahy masinao
Ary ireo vahoakanao dia
Hampiraisinao tsy hisarasara-tsaina
Mba hifankatia ka hiarabelon'aina
Handova ilay fiainana iray vaovao
Dia ilay paradisa(2&3évoix)
Fonenana tsara efa nomaninao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanilon'ny famonjena
Vangy : 438
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tojonarmand
Daty : 17/07/2022 06:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743