Harivam-pahavaratra (Fafah Rabenatoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Harivam-pahavaratra nanorana tamin’izay
Nijanona nialoka aho fa sendra magazay
Dia avy eo tonga ianao, ny volo efa lena be
Ianao avy nianatra, mbola nanao tablier

Nifampijery izaho sy ianao dia samy nihodina avy eo
Toa samy natahotra izay zavatra mety hiseho

Hay ve ianao ity ka mba nitovy tamiko
Natahotra ho tia, natahotra hotiaviko.
Hay ve tao anaty nitepo mafy ny fontsika
Hay ve samy niandry izay fotoana mety ho sisa

Dia niresaka mangina teo aloha isika
Tsy nahatsiaro akory ity andro efa hariva
Nony avy eo nitsahatra ilay oram-baratra
Nanatitra anao aho, ny andro efa alina

Tsy niverina aho raha tsy teny am-bavahady
Nifanao fotoana isika nony ampitson’iny ihany

Hay ve ianao ity ka mba nitovy tamiko
Natahotra ho tia, natahotra hotiaviko
Hay ve tao anaty nitepo mafy ny fontsika
Hay ve samy niandry izay fotoana mety ho sisa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fafah Rabenatoandro
Vangy : 684
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 02/12/2020 10:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114