Tsy omeko tsiny ianao (Fafah Rabenatoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hangina aho, tsy hiala tsiny akory
Satria fantatro ianao fa tsy hino ahy intsony
Impiry impiry moa aho no mifona aminao
Mitalaho aho, mitoreo
Nefa tsy mety fay fa mamerina indray avy eo.

Ka tsy omeko tsiny ianao raha handeha
Ny fandeferanao efa be dia be
F’izaho no adala ninia tsy nahalala
Ny fitiavanao, ny fitiavanao
Ka aza manahy na mieritreritra
Fa tsapako fa tsy ho mendrika
Tsy mendrika ho anao aho.

Ka zay vita aza anenenana
Satria nataontsika tam-pitiavana
Efa niezaka ianao nanao zay azo natao
Hamonjena ilay fitia
Fa tsy niova mihitsy aho
Sa isika no tsy natao hiaradia.

Ka tsy omeko tsiny ianao raha handeha
Ny fandeferanao efa be dia be
F’izaho no adala ninia tsy nahalala
Ny fitiavanao, ny fitiavanao
Ka aza manahy na mieritreritra
Fa tsapako fa tsy ho mendrika
Tsy mendrika ho anao aho.
Fa diso matoky tena loatra
Ka nanao zavatra tafahoatra
Nefa tsapanao ve fa hatramin’izay
Dia tena nitia aho ?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fafah Rabenatoandro
Vangy : 2098
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/03/2015 00:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128