You are here: home > Tononkira > Doxie

Raha tsy eo ianao (Doxie)

Tsy hitako zay teny atao, aminao te-handeha
Nefa ianao raha handao dia ho faty aho anie
Lala o, raha tsy eo ianao ny andro zary morana
Ka raha mandao misolo hasosorana
Toa aho aty eo ho miziriziry,
Valaka ery, mangaingaina maratra fo
Lala o, raha tsy eo ianao ny andro toa merika
Lasa nandao ny tara-tsy hierika
Akaikinao izao rehetra zao
Mihabaliaka eto isika, ao tsy hifandao


Hiraiko aminao anio ity teny tTsiky dia ampysy andrinao
Ho fantatrao amin'io ny fitiava-mitatao
Lala o, raha tsy eo ianao ny andro zary morana
Fa raha mandao misolo hasosorana
F'akaikinao izao rehetra izao,
Mihabaliaka eo isika, ao tsy hifandao
Lala o, raha tsy eo ianao ny andro toa merika
Lasa nandao ny tara, tsy hierika
Akaikinao izao rehetra zao
Mihabaliaka eto isika, ao tsy hifandao

Tonony : Dox, nadika tamin'ny tononkiran'i Crazy Horse, "Un jour sans toi"
Feony : Doxie

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Doxie
Mpamaky : 1942
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 18/09/2013 00:39:14
ID : 6366

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo