'Lay andro fanavotana (Choral Serafima Ambohibao Toby (FLM))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy andro anankiray
Napetraky ny Ray
Tsy maintsy ho tandremana
Ambara ny taranaka
Andro hiravoana
Ka hanompoana
Lalana hatrizay
Mitohy mandrakizay
Ambara amin’izay
Izay nataon’ny Ray
’Lay sandry mahery
Nitondra ny Israely
Ho fanavotana
Ho fanafahana
Hiala ny tanana
Izay nandevozana
Ilay hafatry ny Ray
Dia toa mandrakizay
Kaseho hafa vaovao
No nanavotany ahy sy ianao
Roa arivo taona izay
Ny vonjy izay natao
Ka hira no asandratray
Ho fisaorana
Jeso no nanao
Ny fisoloana anao
Tsy ran-janak’ondry
Fa ran’Ilay Mpamonjy
No nanavotana
No nanafahana
Voavono i Kristy
Pasaka mba ho antsika ety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Choral Serafima Ambohibao Toby (FLM)
Vangy : 3936
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : maevanantenaina
Daty : 05/01/2008 07:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5155