Ento aho (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahiny isika roa, nazoto nifanjohy
Nifankatia tokoa ka tsy nifankafoy
Ankehitriny izao, toa niova ny fitia
Fa noho ny asanao, ianao niriaria

Izao tontolo izao tetezina avokoa
Efa voatsidikao New York, Paris, Moscou
Koa iangaviako anao, indraindray raha sitrakao
Raha toa ka azo atao mba ento ity vadinao

Na mbola eto Madagasikara na any am-pita
Rehefa toera-manan-tantara tiako ho hita
Mba ento aho, ento aho hanaraka anao

Antaontsika fanao, ny miaraka mandeha
Rehefa taom-baovao, na Mai na Juin na Juillet
Toy ny mpivady vao, hidola isika roa
Izay tany misy anao, mba hisy ahy koa

Izao tontolo izao tetezina avokoa
Efa voatsidikao New York, Paris, Moscou
Koa iangaviako anao indraindray raha sitrakao
Raha toa ka azo atao mba ento ity vadinao




Mpihira : bodo
Tonony : bessa
Feony : bessa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bodo
Hits : 15750
Likes : 0 Like
Created by : Ericka
Date : 03/02/2003 16:17
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0176