Tsy hay atao (Art'Rindra)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tiako raha mba ianao no mahay mihaino ireoAnatranatr'izay atolotra anao
F'ireo havanao na ireo namanao
Leo anao sady menatra ahy
Pré-refrain :
Henatr'ireo fanaonao
Menatra ny toetranao
Hoe miaraka amin'izao sy izao
Izany ve ny fombanao?
Refrain :
Tsy haiko izay ataoko anao
Mba hiova ho olom-baovao
Hanadino ireo lasanao
Ireo toetra ratsy fanaonao
2- Folo taona izao no niarahako taminao
Nefa indrisy hatramin'izao, izao no ataonao
Nefa ato am-poko ianao, eny hatramin'izao
Tsy hanary anao, fa hanaja anao
Pré-refrain :
Hanaja fa tsy hamaly ireo
Ratsy rehetra nankaleo
Leo ka miharitra fa tia
Tia aho rehefa tena tia
Refrain... (x 2)
Art'rindra (2020) - Auteur / Compositeur : Luc Näss
--------
Rohy:
Hevitra
hagamamytahiana2023
(
22/11/2024 13:41)
Hira vaovao io, ho hampidiriko amin'ny Radiovazogasy izao dia izao, mba saika hanontany aho : sao dia mba misy manana hiran'i Art'Rindra hafa (audio) : "Hira ho anao", "Faly indray", "Miverena", "Arindra", "Hanaraka"; fa hira 5 izao no aty amiko : "Feo miantso"; "Fitiavantsika", "Nofy ratsy", "Ianao ihany" (hira vaovao), "Zava-poana", izay manana alefaso aty amiko azafady indrindra tompoko. Misaotra.
hery
(
22/11/2024 17:28)
Alefaso mail ny mp3 fa angamba misy olana foana raha vao ampidirinao mivantana ao amin'ny radiovazogasy
media@radiovazogasy.Com
media@radiovazogasy.Com
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Art'RindraVangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 22/11/2024 13:39