Talaho (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampivereno ao aminao izahay ry Tompo be famindram-po
Havaozy araka ny lalanao ny lalanay
Hanaovanay ny sitraponao
Fa tandindomin-doza ny fiainanay ety , tsy tompon’ny fofon’ainay izahay ka hahatana izany
Fa efa mila ho foana ny kely fanantenana , ny helokay tsy hahavonjy anay

REF :
Dia ho sitrakao ve ry Tompo be fitia , ny hinia tsy hiahy ireto ondrinao
Mihorohoro feno tahotra , mitebiteby ery ,ety anivon-tany efitra

Ry Tompo mba jereo ity fahoriako mandrotika ny ato anatiko
Fa mikorontana ny fo amam-panahiko
Ka mitalaho miandrandra famonjena
Fa zioga vy no entinay ka trotraka sy reraka
Mivezivezy toa alon-dranomasina izahay
Fa efa mila ho foana ny kely fanantenana
Ny helokay tsy hahavonjy anay
REF :
Dia ho sitrakao ve ry Tompo be fitia , ny hinia tsy hiahy ireto ondrinao
Mihorohoro feno tahotra , mitebiteby ery ,ety anivon-tany efitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Vangy : 425
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Daty : 20/12/2021 07:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738