Tia antsika ny Ray (Antsan'i Fenomanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: Lazaiko anao indray
Tia antsika ny Ray
Izy tsy nandao anao mandrakizay
Nolotom-pahotana maro fa nodiovinao
Ny voninahitra ho anao mandrakizay

1-Maro ireo didy napetrakao ry Ray
Ho entinay miaina ety an-tany
Hiadivanay amin'ireo fakam-panahy
Izay mamatotra ny fiainanay

Ny fitiavanao Ray ô!
Nibaribary tato aminay
Ilay zanakao nanaiky ka nahafoy ny ainy ho anay
Izy tsy sasatra miaro hatramin'izao
Fa na dia solafaka aho notoroiny lalam-baovao

2-Inoanay tokoa fa miaro ianao ry Ray
Fa be siasia aho ninia nanalavitra anao
Nampahory tokoa ny fahotana vitanay
Ny famindram-ponao Ray o
No naha toy izao anay

Voafidinao Ray ô! Ny olombelona ho anao
Nakambanao ho iray anio sy ho mandrakizay
Izy tsy sasatra miaro hatramin'izao
F'ilay be fitiavana no tonga hamonjy anay

Antsan'i Fenomanana
A/C : HAJANIAINA Marco Lapié
Album 5 " Hihira ho anao"
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'i Fenomanana
Vangy : 379
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsiorihasinavalona
Daty : 18/01/2020 22:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1061