Hamindrao Fo (Antsan'i Fenomanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Fantatray Ray ny fitiavanao
Izay nandoro ny fo, namaivay tokoa
Nania izahay, naditra indraindray
Fa teo foana ianao Ray ô
Tsy nandao anay

Refrain: Fa marefo izahay
Mora lavo ihany koa
Ka mivalo aminao Ray ô
Hamindrao Fo
Ka tsy hanindroa, ho zaza manoa
Hamindrao Fo

2-Renay ry Ray ny antsonao
Nandondona ny Fo, nibitsika soa
Tsy namaly izahay, ninia tsy nandre
Mbola indro ianao Ray ô
Tsy nanary anay

3-Faly izahay ry Ray manana anao
Miahy sy mangoraka
Nanangana ny efa potraka
Fa zaza mpandany niverina an-tranon-dRay
Efa nihosom-potaka
No indro nodiovinao

4-Ka indreto izahay mifaly havanja tokoa
Miantsa ho anao ry Ray mpamindra Fo
Fa nania izahay, naditra indraindray
Fa teo foana ianao Ray ô Tsy nandao anay
Mbola indro ianao Ray ô Tsy nanary anay
Fa ny fahasoavanao Ray ô no naha toy izao anay

Antsan'i Fenomanana 12 Mars 2017
A/C : RAZAFIMAHEFA Rado Nirina
Album 5 " Hihira ho anao "
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'i Fenomanana
Vangy : 556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsiorihasinavalona
Daty : 18/01/2020 22:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729