ANJAKAO NY FIAINAKO: (Antsan'i Fenomanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela izay ry Jesoa ô
No niandrasako anao
Jesoa hostia mofo velona
Anjakao ny foko ho anao
diovy aho ho mendrika anao
Hiray fo aminay

Fiv: Fa ianao Ilay hianteherako
Mofon'aina hivelomako
Indro apetrako eo an-tananao Jesoa
Anjakao ny fiainako
Ka ny sitrakao no aoka atao Jesoa
Fa tsy izay fihevitro

Omeko anao ry Jesoa ô
Ny foko tsy hahasaraka anao
Ny fikasana irian'ny fo
Ny hanompo anao tokoa
Rivo-mahery, onja, tadio
Tsy mise hahasakana ahy

Antsan'i Fenomanana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'i Fenomanana
Vangy : 46
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsinjoarivo
Daty : 21/09/2024 15:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853