Asandratray (Antoko Mpihira Sarôna Imerintsiafindra Fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Asandratray ny hira fiderana
ho Anao ry Ilay Mpanjaka Tomponay  e!
Ventesinay ny  hoby sy hosana
Ho Anao fa mendrika izany

Asandratray ny hira fiderana
ho Anao ry Ilay Mpanjaka Tomponay  e!
Ventesinay ny  hoby sy hosana
Ho Anao fa mendrika izany

Midera Anao ny amiko rehatra
Asandratra amin'ny feo tsy hanampetra
ny Fitiavanao, tsy takatrin'ny saina
Ray ao ambony indrindra
tsy manampaharoa

Voninahitra sy dera ho Anao
Ho anao ry Ilay Mpanjaka Tomponay ee
natolotrao ho anay maimaimpoana
ny Zanakao ho avotra ho anay

Midera Anao ry Ilay Mpiandry tsara
hitsinjaka amin'ny aponga sy gitara
Fa ho mandrakizay , ny famindramponao
Ray ao ambony indrindra
tsy manampaharoa

Voninahitra sy dera ho Anao
Ho anao ry Ilay Mpanjaka Mpanjaka ee
natolotrao ho anay maimaimpoana
ny Zanakao ho avotra ho anay

Voninahitra sy dera ho Anao
Ho anao ry Ilay Mpanjaka Mpanjaka ee
natolotrao ho anay maimaimpoana
ny Zanakao ho avotra ho anay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Sarôna Imerintsiafindra Fiderana
Vangy : 160
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nonnah
Daty : 19/07/2025 19:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
tohiny...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0714