HO VAVOLOMBELONAO (Anjomaran'ny Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo lehilahy:
Ndreto izahay, Jesoa Kristy , mitalaho Aminao
Omeo anay ny famindrampo, iantrao, miangavy koa
Raha sitrakao, hisitrahanay famonjena avy Aminao
Ireto olonao ry Tompo ampaherezo
(Jesoa .. ouhh ouhh ouhh)
Ianao tokoa, 'lay Mpamonjy ho anay, Mpanavotra
Tariho izahay ka arovy amin'ny ady hatrehanay

Choeur:
Mba ho mpandresy tokoa, ho vavolombelonao
Ka hanambinanao ry Tompo, ity mpanompo

Solo vehivavy :
Mafy tokoa 'zany onja, 'zay mamely anay ety
O mitoera ato am-poko Ianao ka tariho làlana
Ny olonao zoky fitia, ho mpanaradia Anao
Ireto olonao ry Tompo ampaherezo
(Jesoa .. ouhh ouhh ouhh)
Ianao tokoa , ilay Mpamonjy, ho anay Mpanavotra
Tariho izahay ka arovy amin'ny ady hatrehanay

Choeur:
Mba ho mpandresy tokoa, ho vavolombelonao
Ka hanambinanao ry Tompo, ity mpanompo

Duo lahy sy vavy:
Toa tsapany Jesoa Tompo oo ny fiarovanao anay
Endrey ny tana-maherinao , 'lay mitantana anay
Tsy ho fefiky (oohh) ny alondrano re
Fa mpandresy toa Anao Jesoa
Ireto olonao ry Kristy , ampaherezo
(Jesoa .. ouhh ouhh ouhh)
Ianao Jesoa ilay Mpamonjy ho anay Mpanavotra anay
Tariho izahay ka arovy amin'ny ady hatrehanay

Choeur:
Mba ho mpandresy tokoa, ho vavolombelonao
Ka hanambinanao ry Tompo, ity mpanompo

A/C: RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Miora Hajavolamena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Vangy : 254
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miorahajavolamena28
Daty : 01/07/2023 23:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768