Naleonao (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taitra aho
raha nahare fa hay ianao
tsy nitia ahy akory hatrizay.
Tsy noheverinao
ho tena izy fa kilalao
ireo tambitamby izay niarahana.

Fa nahoana ianao no tsy mba niezaka
nahafantatra ka hitia koa ohatra ahy

Fa naleonao namitaka ahy foana
tsy nihevitra ny hitia ahy
na hilaza ny marina
fa de nataonao tsinontsinona
ilay fitiavako anao.

Anio izaho manjary tena babonao
satria ny antsika roa tsy ho lafatra.
Izany angamba
no mety hahita izay ho anjara
ka ho feno ny hasambarana.

Fa nahoaona ianao no tsy mba nihezaka,
nahafantatra kay tiako loatra ianao.
Fa naleonao namitaka ahy foana,
......fitiavako anao hatrizay!
ouh ouh ouh ouh hatrizay,ouh ouh ouh ouh!
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/ambondrona/naleonao-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 9628
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fleur
Daty : 20/03/2004 05:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1113