Araraoty (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa mifarana amin’zay ny taonan’ny fahazazana
Manomboka indray ny hatanorana
Nandalo teo ranjoky, ny ray aman-dreny ihany koa
Fotoana mamy indrindra fa mafy kokoa

Toy ny olon-drehetra, mitovy ny faniriana
Mba hahaleo-tena sy hanan’ olon-tiana
Mihevitra hoe fetsy, mandainga sy miseho be loha
Niaina izany avokoa ireo teo aloha

Fa ny anio toy ny omaly
Ny ampitso toy ny androany
Fa tsy maintsy ho toy izany
No iainanao

Araraoty fa andronao izao
Fantaro ny soa sy ratsy, ho hainao ny hanavaka azy
Aza variana ianao
Izay vitanao izao no jinjainao rahatrizay

Tsy maintsy tojo adin-tsaina, indraindray voadona koa ny fo
Aza atao mahakivy, aza mamoy fo
Ankino ny ao Ambony, resaho izay atokisanao
Aza tazonina irery fa mba zarao

Fa ny anio toy ny omaly
Ny ampitso toy ny androany
Fa tsy maintsy ho toy izany
No iainanao

Araraoty fa andronao izao
Fantaro ny soa sy ratsy, ho hainao ny hanavaka azy
Aza variana ianao
Izay vitanao izao no jinjainao rahatrizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 3927
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/04/2019 14:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126