Ajanony any (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ajanony any raha toy izany foana,
Ajanony any fa mandany fotoana,
Vao may mati-kambo,sy mampidingin-drambo,
Ajanony any samy miala!

Marary ny aina andeha hamitra-pihavanana indray,
Tsy mandry ny saina nefa tsy diso akory zany izahay
Ampanetre-tena sy ampanajana koa,
Aleo hono miala tsiny fa ny mpamosavy no to fo,

Fiainana mbola hodiavina,tsy hilaozan’izay ratsy fanahy
Misy ndray ankehitriny no miseho milay
Mifamolaka lava izao ;tsy mety indray!

Ajanony any.....

Tsy mety tokoa,ndraindray aza latsa-tomany
na hoe tsy diso aho,tsy zay no tsiny
nefa dia voaheloka ihany!
Hamafiso ny saina dia mba mahaiza manindry fo
fa ny vita mbola lefy avokoa

fiainana mbola ho diavina......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 11919
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : malaiikaa
Daty : 24/05/2003 00:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132