You are here: home > Tononkira > Akon ny Lanitra (AL)

Ho avy ny Tompo (Akon ny Lanitra (AL))

Ry mpanompo tsara sady mahatoky
Midira amin'ny fifalian'ny Tomponao e!
Samia miambina e, fa ho avy ny Tompo oh,
Ho avy toy ny mpangalatra, ny Tomponao
Ka aza variana intsony e, aza sondriana
Sasao dieny izao ny lambanao hitsena ny Tompo oh...

Miomàna miambena havako ôtononkira.serasera.org,
Ho avy tampoka tsy ho ela anie Jesoa
Iaba a! Endry e! Mbola tsy tara ianao
Mibebaha dieny izao.
Ialao ireo fahotana marobe
Banjino Jesoa miandry anao e!
Zoky e! Zandry e, oia!
Omeo azy ny andro sisa iainanao.

Ho avy ny Tompo o...
Miomana é, hitsena ny Tompo o...
Ho avy e, ho avy e, ho avy!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Akon ny Lanitra (AL)
Mpamaky : 20
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Tsah16
Tamin'ny : 11/09/2019 10:59:59
ID : 12065

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo