Ny Fitiavana (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny fitiavana mandefitra ny zava-drehetra
Ny fitiavana maharitra n'inona sedra
Ny fitiavana tsy mialona tsy mieboebo
Ny fitiavana manantena na dia misento

2-Ny fitiavana mandrakariva dia mifaly
Ny fitiavana tsy tezitra, tsy mifamaly
Ny fitiavana miaina ny toeran'ny hafa
Malemy fiteny, fihetsika, tsy mihafahafa

REF :
Mifona aho fa tena tsy manam-pitiavana Jesoa ô !
Tsy mba mahay mamindra fo
Tahaka Anao Tompoko
Tsy vitako ny mampifaly ireo manodidina ahy
Fa hay moa ka misy tomany
Noho ny amiko any ho any

3-Tsy mahafaty re, ny mamela ny heloky ny hafa
Tsy mahafaty ho'aho, mandefitra tsisy maratra
Tsy mahafaty moa, mangina manidy ny vava
Ka aleo izay teny mendrika ny Tompo no ambara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)
Vangy : 343
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ckaye
Daty : 14/03/2023 13:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782