Hilofo (Zandr'Ilampy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Bouta :Hanomana ny hoavy no mahatonga anay milofo o
Be ny sakan'tsakana fa Zay vonona hiroso o
Lavo izahay androany fa rampitso izahay miarina a
Tsy sasatra ny mijoro satria ny hoavy no amboarina a
Ny avo indrindra e ( ezahanay takarina a)
Ny zavatra rehetra ( ezahanay fantarina a)
Fa vonona ny hilofo o
Tsy sasatra ny milofo o
Fa vonona hiroso o
Tsy sasatra ny miroso o
Anjara ( Rap ) :
Ny tanjona tratra no hirairaina
Tarigetra mipetraka an-tsaina
Mamboly fahaizana dia manamafy
Dia avy eo mijinja an'izay nafafy
DeLL ( Rap ) :
Vonona foana na inona sakana
Lalana misampatsapana
Kanefa tsy maintsy ho tody ny lalana
Fo sy saina mifampitantana
Anjara :
Fianarana ihany no atao ao an-doha
Hitadiavana izay mahasoa
Na rivotra mifofofo
Izahay vonona foana ny hiroso
Del :
N'inona n'inona zava-miseho
Ny tahotra tapitra hatreo
N'inona n'inona zava-mitranga
Ny lanitra tsy maintsy manga
Bouta :
Hanomana ny hoavy no mahatonga anay milofo o
Be ny sakan'tsakana fa Zay vonona hiroso o
Lavo izahay androany fa rampitso izahay miarina a
Tsy sasatra ny mijoro satria ny hoavy no amboarina a
Ny avo indrindra e ( ezahanay takarina a)
Ny zavatra rehetra ( ezahanay fantarina a)
Fa vonona ny hilofo o
Tsy sasatra ny milofo o
Fa vonona hiroso o
Tsy sasatra ny miroso o
Anjara:
Efa nazava hatrany am-piandohana
Hoe iny ny lalak'ombana lalak'ombana
Mbola dezaka sady malama
DeLL :
N'iza hanakana n'iza an-doto
Izahay vonona foana ny azoto
Ny tanjona mijoalajoala
Tsy ho ratsy fa ho tsara fiafara
Anjara :
Mila mianatra mba ho Tafita
Ataovy hita ireo ezaka vita
Tsy maintsy tafa raha tsy efa mijaly satria
Izay natao ihany no mivaly
Lucka:
Ny fiainana lty tsy mora
Fa mila fitadiavam-bola
Dia izaho no anton'izany
Fianarana tsy atao fatany
Bouta :
Hanomana ny hoavy no mahatonga anay milofo o
Be ny sakan'tsakana fa Zay vonona hiroso o
Lavo izahay androany fa rampitso izahay miarina a
Tsy sasatra ny mijoro satria ny hoavy no amboarina a
Ny avo indrindra e ( ezahanay takarina a)
Ny zavatra rehetra ( ezahanay fantarina a)
Fa vonona ny hilofo o
Tsy sasatra ny milofo o
Fa vonona hiroso o
Tsy sasatra ny miroso o
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Zandr'IlampyVisites : 13
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Luckaa
Date : 15/04/2026 21:03
