Jerijereo (Zandr'Ilampy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lucka:
Ny tiako ambara efa fantatrao tsara
Fa ny hiantso anao hoe malala
Raikitra am-poko ato tsy afaka miala
Ilay tsikinao ka mahalasa adala

Kanefa izaho tsy sahy manambara
Fa vahotr'ilaza sy misalasala
Kanefa n'y foko toa tena tsy tana
Mikopaka toy ny voromalala

Dell:
Jerijereo fa aza avela ho irery
Herikereo fa Sao dia ka very
Toditodio fa aza avela mianjera
Mba ampio re fa mampaonena ooo

....Instrument....

Anjara
Amiko ianao anjely faharoa
Tsy volmena na koa vatosoa
Fa olon'tsotra nandona ny fo
Sendra nandalo nahatonga nifoha
Mba faniriako ho iray isika roa
Angatahiko amin'ny Tompo Jesoa
Tsy misy mahasolo anao amikoo
Izay rehetra itako ianao avokoa

Dell:
Jerijereo fa aza avela ho irery
Herikereo fa Sao dia ka very
Toditodio fa aza avela mianjera
Mba ampio re fa mampaonena ooo

Bouta:
Jerijereo fa aza avela ho irery
Herikereo fa Sao dia ka very
Toditodio fa aza avela mianjera
Mba ampio re fa mampaonena ooo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zandr'Ilampy
Vangy : 34
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Luckaa
Daty : 12/04/2026 13:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0545