Retsiana (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Retsiana o, Retsiana o
Lavitry ny akany noho
Ny kely ananako aho no ahiratro
Mihevin-dava, lasan’embona e
Arahin-tsento ka mivetso, manina mangina o

Ry lahy o, reroy o
Tsy manadino fa
Mahatsiaro ny andro niarahana o
Niara-namindro donak’afo
Niara-nizaka ny mavesa-danja tsy hay ahilika o

Lavitra anareo nefa vano saraka ny akany
Mahandrasa fa mbola hihaona ihany
Fa sanatria tsy hanao fitiavana paraky
Ndeha hanainga rehefa injay mila tsy ho tanty

Ry folak’andry niankinana o
Tsy hitsipa doha laka nitana anie aho, fa mbola hody
Avezivezin-dravin'ahitra
Mandranto mamy sy tantely
Ho soa mba ho anareo

Ry nitehirizako ny bitsiko o
Tsy hitady akanga tsara soratra aho
Fa mbola ho avy
Lavitra anao k' injay miritsoka e
Ny feom-baliha manako ao am-poko
Efa ditsoka o
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tsiakoraka
Visites : 1167
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : nandriamandia
Date : 01/04/2018 08:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1458