Raha toa ianao androany (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vizana, toa valabalaka
Ianao androany
Reraky ny mierieritreritra
Toa manembona hatrany

Raha mandre feonkira iray
Toa mampahatsiahy ny alaheloko anao
Dia misy vetsovetso iray
Mitambesatra ao am-poko ao

Raha mandre tononkalo iray
Toa mitanisa hafaliana
Dia maniry ny ho tafaray
Na dia iray andro amin'ny tiana

Fa raha toa ianao androany
Mila hazavana sy masoandro
Matokia fa ho avy ihany, ho tonga ilay andro

Fa raha toa ianao androany
Mila hafanana sy fitiavana
Ny hirantsika no mba hany mety hampikambana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tsiakoraka
Visites : 1159
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 10/09/2017 19:48
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116