Tsy mahay maka (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh tsy mahay maka e, tsy mahay maka
Bandy mahery an-tanàna tsy mahay maka
Manosika borety maraindraina ‘zahay mirahalahy
Songonan’izy roa etsy ambodin’aviavy tsy an-kiteniteny

Tavela eo andilana midina ny ranjo ny jerinay mitsama
Valala manidina an-tampon’ny loha koa ndeha hasian-tsira
Manao be famaritra hikendry  ny hahazo ny adinay roalahy
Ahy isoamanga, an’ialahy ikalafotsy boribory kely

Ny anay ny hevitra moa dia ny haka tsy taitra
Fa tompon-tanàna, fa tompon-tanàna
Hay moa mpisikidy tsy masina an-taniny
Ndraika izy roa efa manan-tsafidy any lavitra any

Oh tsy mahay maka e, tsy mahay maka
Bandy mahery an-tanàna tsy mahay maka

Mitanitanik’andro maraindraina ‘zahay mirahalahy
Mifandrandram-bolo am-piandrasana lamba izy roa vavy
Fa ny zipo manify sy loba-jandiana mora maina ihany
Fa ireo bodofotsy sy ireo bemiray iandraso ny hariva

Mipìpìmaso manao jono borty ny jerinay mitsama
Mikakakaka lokin’ny hehy sy mifosa ny azy roavavy

Ny anay ny hevitra moa dia ny haka tsy taitra
Fa tompon-tanàna, fa tompon-tanàna
Hay moa ny andro hariva mahatsaratsara
Mahatsaratsara vahiny avy lavitra handranto tanàna

Oh tsy mahay maka e, tsy mahay maka
Bandy mahery an-tanàna tsy mahay maka
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tselonina
Visites : 1053
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 05/12/2020 08:37
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2875