Bitsika (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ranomasina iny aza, ilalaovan'ny sambo
Ny tananan-dRapeto mety hidiran'angano
Ny tany petsapetsa hitomany ny vano
Tanimbary rehetra handosiran'ny rano

Ref:
Na mangotraka aza ny ao am-ponao
Na mandrozatra aza ny tendanao
Mbola bitsika anaty orakoraka e!
Pirina etsy anivom-parihy oa
Ny rivotra, ala, afo sy orana no manosika anao hiankavia
Herika tra-pahavaratra oa
Zanak'akoho sy papango ô!
Ny mampijoro ny fandri-baratra no tsy ahalevona atoandro

Vato aman-kazo no tsy laitran'ny mambo
Tany karakaina tsy matahotra havandra
Vorona an'ala no tsy tapi-dalao
Loha sola ihany no tsy amikiran'ny hao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tselonina
Visites : 168
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Blaise Mickael
Date : 23/02/2024 07:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216