Mahatsiaro an'Andriamanitra (TONTON JIM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry olombelona eto an-tany,            
izay mihevi-tena ho ambony na ambany e.
Indraindray falifaly dia mivanivany !hahahahaha.      
kanefa tsy maintsy mitomany.
Satria raha mivelatra ny voninkazo,      
indray andro io tsy mantsy halazo e.
Ka na iza n’iza hoe : Nateraka,        
tsy maintsy hiaran’ny fahafatesana.

Raha sendra midona ny faoriana,  
fa maty mantsy ny hava-tiana e.
Manjoretra ny mpianakavy,    
jereo fa misy ratsy tarehy toy ny ramanavy.
Misy ny safotra misy ny trotraka,      
Mirotsaka eo izay te hirotsaka e.
Vokatry ny alahelo,   na ranomaso io na ranon-delo.
       Ref -    Dia mahatsiaro an’Andriamanitra e.  (Andriamanitra o)
Hoe : Nahoana re ry lanitraô  (any an-danitra ô).
Ity zavatra no mihàtra    ( Mila tsy ho zakako)
Toa tsy ha zakakony ràtra.     (Ny vesatry ny ratrako)
Migogogogo mitoreo e        ( Mitoreo )
Hoe : Andriamanitra ô vonjeo   (ô vonjeo)
Ny Fanahinao no ampidino   (  Mamindrà fo aminay)
ny alahelonay hampangino.  (Re ry Ray ô)

Nisy lehilahy iray maty vady,  
Nitomany nandadilady e
Nigogogogo tsy laitra nampanginina,
fa Mafaitra loatra hono noho ny « nivaquine ».
Dia hoy izy hoe : nahoana re aho ry vady ô,
no dia nilaozanao sahady.
Izaho anie tsy te ho célibataire,
na hanoka-tena sahady ho Monpère.

Ka rehefa vita ny fiandrasana,    
Tsy maintsy aterina any am-pasana.
Ka rehefa vita izay natao. . . .
ny mpandevina rehetra nivoaka tao.
Fa ny anao lahy tsy nety hivoaka,
fa hanaraka ny vadiny hono any an-koatra e.
Saika idiana tao rehefa tsy nahasaraka. . .
izay vao nihazakazaka nanaraka.

       Ref -    Dia mahatsiaro…

Aoka hisaina isika izay mbola velona,    
fa ny fiainantsika eto anie ka mielina e.
Ny nofontsika indray andro any. . .
Tsy maintsy hiverina amin’ny vovotany.
Fa ny fanahintsika kosa makany an-danitra. . .
Tsy maintsy mihaona amin’Andriamanitra e
Ho tsarovana eo ny lasany,  sy  handraisany ny valinasany.

Fa ho sambatra any ireo voavonjy,  
voadion’ny Ràn’ny Zanakondry ee
Mandrakizay ho voarotsirotsy,    eo an-tratran’i Jesosy.
Fa ireo mpaniratsira ny mpitory,   sy  nanaiky ny devoly e.
Dia hirehitra mandrakizay , any amin’ny helo vao mitraitray.

       Ref -    Dia mahatsiaro…
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : TONTON JIM
Visites : 12
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Miorasarobidy
Date : 11/03/2026 16:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1157