Tena mamiko ianao (Tiavina Raoelison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no tiako indrindra,
Anilanao ilay faniriana
Malala tiako loatra ianao
Aza avelanao irery aho
Fa mijaly aho raha hilaozanao.

Atolory ahy ny tananao!
Fa ankehitriny lazaiko anao ooh!
Ny ato ampoko hatramin'izay
K'anefa aza manahy
Fa fo hitambatra ho iray.

Ianao ihany no ilaiko
Tena tiako loatra ianao!
Tsy afaka ato antsaiko ianao
Ny andro izay nahitako anao,
Lasa adala anao aho.

Tsisy sambatra toa ahy
Tojo olon-tianao!
N'iza n'iza hanaratsy
Tsarovy fa ho mandra-maty
Sambatra aho ankaikinao.
....
Ny fahatokisanao no ilaiko
Halaviro izay tsy tia ahy
Ny ao ambony no mitsara
Ny antsika efa anjara
Ianao irery no ilaiko.

Tena mamiko ianao
Hatramin'izay ka hatramin'izao!
Ranomasom-pifaliana,
Fa aza omenao tsiny
Fitiavana madio ny ahy.

Mino aho fa hoavy ilay
Ilay andro maminay!
Ho ampiakariko ianao
Raha toa ka sitrakao
Sambatra aho ankaikinao.

N'iza n'iza hanaratsy
Tsarovy fa ho mandra-ma..ty!

Chœur:
Tena mamiko ianao
Hatramin'izay ka hatramin'izao!
Tsy afaka ato an-tsaiko ianao
Ny andro izay nahitako anao
(Lasa adala anao aho ôh!! ôh ôôôh!!
Tsisy sambatra toa ahy (Tsisy sambatra toa ahy)
Tojo olon-tianao! (Tiako ianao!)
N'iza n'iza hanaratsy
Tsarovy fa ho mandra-maty
Sambatra aho anilanao.

Ho ampiakariko ianao
Raha toa ka sitraka..o!

Tiako ho vady andefima..ndriko!

Ôh!ôh!ôh! ôôh!!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tiavina Raoelison
Visites : 20
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 22/02/2026 02:31
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0557