Hiaraka Aminao (The Singers of Jesus)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifona Aminao noho ireo ditrako
Mivalo Aminao fa tsy nanao ny sitrakao
Aoka tsy hiverina ireo adalana taloha
Fa manomboka izao aho hanaraka ny sitrakao

Hiaraka Aminao aho
Hiankina Aminao aho
Eo anilanao aho Tompo o!
Raha sitrakao, avelao
Hiaraka Aminao aho
Hiankina Aminao aho
Eo anilanao aho Tompo o!
Raha sitrakao, avelao

Fa tsinontsinona aho Tompo o!
Tsapako ny herinao
Manaisotra ny tenako
Miaro ahy tsy ho diso lalana
Fa ankehitriny kosa
Tsy halemy tsy ho kanosa
Fa hahery tanteraka
Satria mitoetra eo anilanao

Hiaraka Aminao aho
Hiankina Aminao aho
Eo anilanao aho Tompo o!
Raha sitrakao, avelao
Hiaraka Aminao aho
Hiankina Aminao aho
Eo anilanao aho Tompo o!
Raha sitrakao, avelao
(...)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : The Singers of Jesus
Visites : 2496
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : tojokyrah
Date : 04/10/2016 15:54
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.581